Maro loatra ny fahadisoana mianjady amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, raha hiverina any amin’ny fototra hanangana zava-baovao hitondra fanovana sy fandrosoana. Mila omena lanja ny fikarohana mba hanitsiana tsikelikely ny mibiloka. Rehefa mety ho sehatra hisian’ny fikarohana momba ny soatoavina malagasy, mila tohanana hahita zava-marim-pototra. Tranga misy ankehitriny ny fitomboan’ireo mitonona ho mpandala ny fomban-drazana na ny maha Malagasy. Amin’ny lafiny iray, tsara ny fisian’ireny. Amin’ny endriny hafa, raha sanatria ka tsy ampy ny fandalinana sy ny fikarohana, kanefa, itompoana teny fantatra. Mety hampitombo ny lainga efa nafafin’ny « sasany » momba ny Malagasy sy i Madagasikara izany.
… Eo amin’ny sehatry ny firenena, tokony hanokanana tetibola manokana ho an’ny fikarohana ny momba ny soatoavina malagasy. Hiteraka fifanajana ny fanatanterahana izany, satria, hipoitra ny lamina voajanahary niainan’ny Malagasy. Hisongadina ny fifamenoana, satria, harena ny fahasamihafana. Any anivon’ny fianakaviana ihany koa no tokony hanaingana ny fikarohana momba ny soatoavina. Amin’izay fotoana izay tsy hihadian-kevitra intsony ny atao hoe « teny ratsy » sy ny « teny tsy ratsy » !
HaRy Razafindrakoto




