Mpanabe ny mpanakanto. Mpanaitra ny fiarahamonina amin’ny loza manambana ihany koa. Izay no tanjona tamin’ ny hetsika « Artivisme 2025 », nampiasain’ireo mpanakanto ny talentany amin’ny adisisika ho an’ny fiarahamonina.
«Artivisme», mira fanairana amin’ny alalan’ny zavakanto. «Miaraka mandrasa ny fahanginana. Andao hiady amin’ny fanolanana sy ny fifamotorana». Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny hetsika « Artivisme 2025 », notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Lohahevitra ara-piarahamonina saingy navoitra tamin’ny alalan’ny zavakanato izany. Iarahan’ny rehetra mahalala fa ny mpanakanto no mpivoy hevitra mora raisin’ny mpiaramonina indrindra, ary ny zavakanto no fitaovana fampitan-kevitra mahomby indrindra. Nahatsapa izany ny fikambanana Nifin’Akanga, izay miady ho an’ny zon’ny tovovavy sy ny vehivavy, amin’ny ankapobeny, eto Madagasikara, tompon-kevitra tamin’ny hetsika.
Araka izany, zavakanto maroloko no natambatra tamina toerana sy fotoana iray, hanamafy bebe kokoa ny hafatra ampitaina. Nanomboka tamina seho nifototra tamin’ilay hira «J’accuse», izay nanehoan’ireo mpanakanto ny karazana fihetsika tezitra, malahelo kanefa miray hira koa manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Tafita tamin’ny hafonjan’ny tononkira, ny endrika isehon’ny mpisehatra fa indrindra ny fisehatra izany.
Nanaraka avy eo ny fanehoana sangan’asa tamin’ny teny tanana, izay manodidina ny lohahevitra ny fahasalamana ara-pananahana. Sambany no nisy teto Madagasikara izany, izay natao hanentanana ihany koa ireo olona manana fahasembanana amin’ny fahitana. Mbola fientanam-po hafa ny an’ireo nijery ilay horonantsary «Tantarako Mboty», izay niainga tamina tantara tena nisy, miresaka ireo fahavoazana ara-tsaina nateraky ny herisetra ara-batana na ara-moraly.
« Oka eky izay »
Seho kanto maroloko no nentina namarana ny fotoana. Nifangaro tao ny hira, ny dihy ary ny teatra, izay nifototra tamin’ny lohahevitra : “aoka izay ny herisetra ara-pananahana”. Ny mivoaka amin’ny fahanginana dia efa fandresena. Nahita ny fitaovan-tserasera, fampitan-kafatra mahomby indrindra ny Nifin’ Akanga, ka ny fampiasana ny zavakanto hivoizana ny lohahevitra no zava-dehibe. Kasaina hotohizana amina tetikasa sy lohahevitra hafa izany, hitondran’izy ireo ny adisisika manaraka. Ny fanabeazana ara-pananahana indray no hatao laharam-pahamenana fa hotohizana hatrany ny fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy, amin’ny alalan’ny zavakanto.
Zo ny Aina




