« Tolo-tanana ho an’i Kolibera »: Naneho firaisankina ny samy mpanakanto

Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Am­bohi­trimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia tsy tena midadasika aza ny toerana. Mpanakanto maro, mpitendry sy mpihira no tazana nifanaretsaka, izay nifandimby teny an-tsehatra avy eo. Tsy tena nisy fandaharam-potoana no­manina mialoha fa tonga daholo nentin-kafanampo ha­nao adidy araka izay tandrify azy ho fanampiana ity raiamandreny ity, na ny mpanakanto na ny mpankafy mozika.
Sao misy latsaka raha hotanisaina fa saika ireo nandray fahalalana, nanovo traikefa ary nandranto ny tendry gitara sy ny Bagasy tamin’i Kolibera dia teo avokoa. Tsy mpitendry ihany fa teo koa ireo mpihira, izay efa niara-niasa taminy. Naverina ireo sanganasan-dRakoly, nanomboka tany amin’ny Rakoto­zanany Stanislas, nandalo ny Kalaza, ny Feo Gasy, ka ha­tramin’ireo novelomin’ny tarika Kolibera. Nafana vetivety ny fiarahana, nentanin’ny fitiavana narahin’adidy. Hany ka nalai-nisaraka indray ny rehetra rehefa nody ny masoandro.
Raha ny vaovao nozaraina, efa miroso amin’ny fahasalamana ka manohy ny fitsaboana any an-tranony i Ko­libera. Mbola haharitra kanefa kosa mandroso tsara izany. Mety mbola hisy, araka izany, ny hetsika manaraka hanaovana tolo-tanana ho an’ity andrarezin’ny tendry gitara sy isan’ireo zokiny indrindra amin’izany ity.

Zo ny Aina

Partager sur: