Ho fantatra anio ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta, hotarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Efa nampanantena ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny herinandro teo fa tokony ho tamin’ny alahady teo izany. Amin’ity anio ity izany vao ho tanteraka.
Tsy hanaiky ny hidinan’ny mpitarika ny hetsika ataon’ny mpomba ny fitondrana teo aloha, eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireo avy amin’ny hetsika « Bandeau rouge ». « Tsy ny mpitandro filaminana no hanakana azy ireo mbola hanao hetsika eny fa izahay. Mafy ny nahazo anay vao nahazo io toerana io ka tsy ho avela handihizan’ireo », hoy ny fikambanana.
Nametraka fepetra telo ny TGV vao hanatrika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny mpitarika, i Rinah Rakotomanga, tao amin’ny fahitalavitra iray, ny alahady teo. « Atsaharo ny ramatahora. Miverina an-tanindrazana ny filoha Rajoelina fa mbola filoham-pirenena izy. Tsy azo ekena ny fanapahan-kevitra mandeha ila », hoy izy.
Niantso ny tsy tokony hifanomezan-tsiny sy hifanenjika, ny filohan’ny Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahiana. Nambarany fa tokony hankasitrahina izao fahafahana izao. « Tsy voatery ho araka ny tiantsika 100% no hiseho. Nisafidy naka sisiny izahay. Tsy vahaolana ny fisisihana fa ekena kosa ny fifanampiana raha toa ka ilaina », hoy izy.




