Hiady ho tompondakan’i Madagasikara ireo solontenam-paritra amin’ny “Slam national”. Fifaninanana lehibe indrindra amin’ity taranja ity izany, ary dingana maro no natrehin’ireo mpifaninana.
Indiamahery (Analamanga), Papry Jr (Alaotra Mangoro), Koura (Vakinankaratra), Ash (Sava), Mafia (Boeny), Luciana (Diana) ary i Lems (Atsinanana). Ireo aloha no efa azo antoka fa hifaninana mandritra ny “Slam national” andiany faha-16, izay hotontosaina eto Antananarivo, ny 3 hatramin’ny 6 desambra ho avy izao. Samy nahatontosa ny famaranana isam-paritra ireo faritra enina ireo, ny faran’ny herinandro teo. Ireo sampanan’ny Alliances Françaises manerana ny Nosy no nandray ny fifaninanana. Nitovy avokoa ny masontsivana ho tamin’izany: samy nanomana sanganasa 3 avy ireo mpifaninana, izay tsy nisy nihoatra ny 3 minitra. Niatrika ireo mpitsara nofantenan’ny Madagaslam, izay mpikarakara izy ireo avy eo.
Mbola misy faritra dimy tsy nahavita ny fifaninanana, dia i Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro, Bongolava, Menabe ary i Matsiatra Ambony. Samy efa namoaka ny daty hanaovana izany avokoa anefa izy ireo. Ny 8 novambra izao, ohatra, ny an’i Fianarantsoa no ho fantatra ny solontenany. Nisy ny fihemoran’ireo daty sy ny fikorontanana kely teo amin’ny fikarakarana, noho ny toe-draharaha teto amin’ny firenena. Samy manao ezaka amin’ny hahavitan’izany kosa ny rantsamangaika isam-paritra.
Tsiahivina fa ny “Slam national” no fifaninana fara-tampony amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Izay mivoaka tompondaka eo no mitondra avo ny voninahi-pirenena amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena. Araka izany, zava-dehibe ho an’ireo mpisehatra izy ity, satria samy mikatsaka izany anaram-boninahitra izany avokoa ireo mpifaninana. Efa dingana goavana no nolalovan’ireo tafakatra hiatrika ny famaranana, araka izany. Izay mandresy eo no handimby an’i Orad , na i Radoniaina Ravalison, tompondakan’i Madagasikara tamin’ny “Slam national XV”, ny taona 2024.
Ankoatra ny fifaninanana, hisy anatin’ny fifantenana mpanao slam vahiny ihany koa hafarany hanatrika ny hetsiky ny CGM/GZ amin’ity andiany faha-16 ity. Hizara ny taikefa, hitarika atrikasa ary hanoro ny lalana eo amin’ny fandraisana anjara amina hetsika iraisam-pirenena momba ny slam izay voafidy eo.
Zo ny Aina




