TARATRY ny KANTO

“Masoandro amam-bolana”. Teatra poetika, izay hotontosain’ny tarika Randrana, ny alahady 9 novambra izao, ao amin’ny FJKM Cenhosoa Soa­vinandriana, izy ity. Ny Tsiaro no nanoratra ny piesy, izay narindran’ireo poeta Avelo Nidor sy Herinirina. Handravaka izany amin’ny hira kosa i Mandresy Ranaivoson.

Nofoanana ny « Reko Europe 2025 ». Tamin’ny alahelo no nanambaran’ny tarika Reko ny tsy fahafaha-manatontosa ny fihodinanana any Europe, amin’ity taona 2025 ity. Tsy nanambara ny tena antony ny tarika. Na izany aza, manana fanantenana ny tarika ary manome fotoana ireo mpankafy any an-toerana fa tsy maintsy hisy ny fihaonana amin’io taona ho avy io.

Mbola hitohy hatramin’ny 31 oktobtra izao ny fampirantiana “Madagascar, terres des esprits”, ao amin’ny IFM Analakely. Nisy ny fikatonan’ny toerana noho ny toe-draharaha nafampana teo Analakely, ka izay no anton’ny fanitarana. Fampirantiana ny sanganasan’ilay mpaka sary, Rijasolo, izay manodidina ny resaka ara-panahy, ny fahafatesana sy ny tontolony, izy ity.

Partager sur: