Governemanta vaovao: «Tsy maintsy ahitam-bokatra anatin’ny roa volana»

Tafajoro ny governemanta vaovao. Roa volana ny fe-potoana tsy maintsy hahitana soritra ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’izao Tetezamita izao. Midika ho tsy fahombiazana ny tsy fisiam-bokatra…

“Tsy maintsy hita soritra ao anatin’ny fe-potoana roa volana farafahelany ny vokatra hanatanterahan’izy ireo izany politikam-panjakana izany. Ny tsy fisiam-bokatra mazava sy mivaingana ao anatin’io fe-potoana io dia midika ho tsy fahombiazana. Mitondra amin’ny fanovana ny mpikamban’ny governemanta izany”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Ran­drianirina Michaël, mialoha ny fanolorana ny mpikamban’ny governemanta teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly.
Araka izany, notsiahiviny ireo teboka sy foto-kevi-dehibe mamaritra ny politika ankapobeny itondrana ny tany sy ny fanjakana mandritra ny roa taona farafahelany haharetan’ny fitondrana.
Voalohany amin’izany, ny fitadiavam-bahaolana faran’izay haingana momba ireo sehatra manakaiky sy tena maharary ny vahoaka. Eo ny angovo, ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny soatoavina, ny famehezana ny vidin’entana ilaina andavanandro, ny politikam-pitsitsiana. Fa eo koa ny fijerena ireo seha-pihariana rehetra mampidi-bola ho an’ny fanjakana sady mampihodina ny toekarena toy ny fizahantany, ny fambolena… Manampy izany ny fametrahana tontolom-pandraharahana voaaro sy milamina. Tsy hadino ny fanenjehana an’ireo fanetriben’ny firenena sy ny famerenana ireo harem-pirenena nahodinkodin’izy ireo. Manaraka, ny fametrahana sy fandrindrana ireo paikady ha­metrahana ny fototry ny politikan’ ny fanarenana ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka. Farany, ny fikarakarana sy ny fandrindrana ny atrikasa marolafy hoenti-mandrafitra ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ary ny fametrahana ny fandaminana rehetra momba ny fifidianana.

R. Nd.

Ireo mpikamban’ny governemanta:

Araka ny didim-panjakana lah. faha-2025-1114 ny 28 oktobra 2025
– Minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina;
– Minisitry ny Foloalindahy, général de Division Razafitombo Maminirina Ely;
– Minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine Harijaonina;
– Mpitahiry kasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa;
– Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray;
– Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé;
– Minisitry ny Filaminam-bahoaka, inspecteur général de Police Erick Michel Idrissa;
– Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, général de Division Lylison René de Rolland Urbain;
– Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Monira;
– Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy;
– Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Hanitriniaina Elis Karena;
– Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy ny fampiofanana arak’asa, Tsilefa Antonio ;
– Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina;
– Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina,
Rasoarahona Andriniaina;
– Minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana Michela Angèle;
– Minisitry ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Léonne;
– Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Raharisone Juste;
– Minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice;
– Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Andriamparany Carl;
– Minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob;
– Minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Chan Kit Waye Jaco;
– Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Manesimanana Rafanomezantsoa Michaël;
– Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie;
– Minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Elia;
– Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa;
– Minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie;
– Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Desiré;
– Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa;
– Minisitra Delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena, général de Division Bama Marima.

Partager sur: