Raha misy mahasarotiny ny Malagasy voalohany, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina. Amin’ny maha Nosy be velarana an’i Madagasikara, tsy voatery hitovy izy ireo. Io tranga io no mila hampanjakana sy hanomezana lanja ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana. Lamina voajanahary sady hay no niainan’ny Malagasy, saingy, nopotehin’ny vahiny sy ny forongony tamina fomba maro.
Manaja ny fahasamihafana ny Malagasy matoa manan-karena kolontsaina, fomba amam-panao, soatoavina… Ilaina ny mampahafantatra izany ny taranaka mba tsy hisy ny halaim-panahy hanimba ny an’ny hafa. Samy manana ny fadiny, ohatra, ny faritra tsirairay. Anjaran’izay «mivahiny» eo amin’ilay toerana no manaja izany.
Nitandrina fatratra ny fifandraisan’ny ray aman-dreny (raiamandreny), sy ny zanaka, ohatra, ny teto Imerina. Teny manafy haja, manome voninahitra, sns, no nampiasaina rehefa mitafa na miresaka. Tahaka izany koa eo amin’ny maha mpiraitampo, mpianadahy, sns. Noraisina ho toy ny fady ny teny mandratra, manome fanafintohinana, teny ratsy toy ny ompa. Najain’ireo izay nivahiny tao Imerina izany fahiny. Ahitana tahaka izany ihany koa ny faritra maro eto Madagasikara.
Miainga any amin’ny fanabeazana sy fampianarana ny fototra. Ao amin’ny ankohonana, fiarahamonina, sekoly, fikambanana, sns, no tezaina hanome lanja ny fahasamihafana ny taranaka Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




