Tafiditra hifaninanana anatin’ny « African Entertainment Awards » any Etazonia i Basta Lion. Ao amin’ny sokajy « Best reggae / dancehall artist » no misy azy, milahatra amin’ireo mpanakanto afrikanina malaza maneran-tany toa an-dry Ruger, Shenseea, Masicka, Spice, Popcaan, sns. Ny 20 desambra izao no hanaovana ny lanonana fampahafantarana izay handresy isan-tsokajy, ka miandrandra mafy an’i Basta Lion hibata ny amboara ny Malagasy rehetra maneran-tany.
Hiaka-tsehatra any Paris, France, indray ny hiragasy. Tsy mbola hanafatra tropy aloha, fa ireo mpanao hiragasy mivondrona ao amin’ny tarika Zazaniangarana no hanatontosa ny seho, ny 15 novambra izao. 10 mianadahy eo ireo mpikambana, izay nivoaka tamina tropy mpanao hiragasy, na taranaka mpanao hiragasy sy vakodrazana monina any France amin’izao fotoana. Ny fanandratana ity kolontsaina mampiavaka ny Malagasy ity any ivelany no tanjona.
Hiaka-tsehatra, anio, any New York, ny «Fampitaha, fampita, fampitana». Soradihy sanganasan’i Soa Ratsifandrihana izy ity, izay handray anjara amin’ny Powerhouse International Festival any Brooklyn, hatramin’ny rahampitso. Niainga tamina angano malagasy ny soradihy, izay niarahan’ny mpamorona niketrika tamin’i Joel Rabesolo sy ireo mpanao soradihy roa, Audrey Merilus sy i Stanley Olivier, ny fanatontosana azy.




