Efa minisitry ny Raharaham-bahiny sy minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ary ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina. Nanao veloma tamim-pitoniana sy tsy nisy raorao ary tao anatin’ny mangarahara ny tontolo politika sy ny andraikitra noraisiny ny tenany, omaly, tetsy Anosy. « Andro ialako amin’ny sehatra politika sy ny fiainam-bahoaka androany. Miala anaty fitoniana sy fankasitrahana aho ary amin’ny finoana fa nanao ny azoko natao », hoy izy, rehefa nisahana andraikitra teto amin’ny firenena, nandritra ny valo taona. Tsy misy tsy mahalala ny fikasako hiala amin’ny sehatra politika amin’ny faran’ity taona ity ka tonga ny fotoana, raha ny nambarany. Tsy kisendrasendra izany fa fanapahan-kevitra matotra. Fahatsapana fa vita ny adidy ka avela ho an’ny mpandimby ny hanohy ny asa sy hanatsara ny efa natomboka.
Notsiahiviny ny fiaraha-miasa teo anivon’ny MFFT, nanavaozana ny lalàna sy ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana. Teo koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fanjakana ho maodely amin’ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. «Nampiseho fahavononana ianareo tamin’ny fanohanana ny ben’ny Tanàna sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Teo ny fananganana fotodrafitrasa, ny fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ary ny fidinana ifotony», hoy izy. Midika ho fandraisana andraikitra miaraka amin’ny vahoaka eny ifotony ny fitsinjaram-pahefana. « Niara-niady isika rehetra tamin’ny famerenana ny tany ho an’ny Malagasy. Nijoro niaro ireo olon-tsotra sy niady tamin’ireo mpangalatra tany… », hoy izy.
Vonona hanazava raha ilaina izany
Momba ny fitantanana, nahitsy ny minisitra teo aloha nilaza fa tsy nangalatra ny tenany ary vonona hanazava sy hanome ny dosie rehetra tamin’ny naha minisitra na ny naha ben’ny Tanàna azy. Nohitsiny fa mazava ny antontan-kevitra, na amin’ny lalàna, na ny fitantanam-bola. « Misy ny kaonty sy taratasy fanamarinana azo aseho. Naloa hatrany ny tokony ho aloa ho an’ny Cnaps isam-bolana ho fanajana ny fifanaraham-piaraha-miasa », hoy izy.
Manoloana ireo rehetra ireo, nambarany fa manana ny safidiny izy ary tsy fahotana ny manana hevitra sy fironana ara-politika, ny mangalatra volam-bahoaka no tena fahotana.
Anisan’ny nanamarika ny tontolo politika ary zava-dehibe eo amin’ny tantara izao fanapahan-kevitra noraisiny izao. Tokony ho ohatra velona
Synèse R.




