Depiote Rajerison : “Ny nataon’ny teo aloha ihany ny eny amin’ny Antenimiera”

“Aminay manokana, raha izao ny fiovana sy fanovana nitolomana: maty momoka. Tsy mety intsony”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, ny amin’ny fifidianana birao maharitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, afakomaly. Raha ny lisitry ny olona ho lany ao amin’ny birao maharitra: efa fantatra sy nivoaka ary nifampiresahana mialoha. Nisy fifidianana birao maharitra intelo miantoana, nefa noravana hatrany. Ny antony: tsy tafapetra-dry zareo maro an’isa amin’izao ny lisitra. Satria te hifidy ma­lalaka ny depiote fa tsy noterena: noravana hatrany ny lisitra, rehefa hita fa tsy tafapetraka ny an-dry zareo.
Mampalahelo raha izay ny fiovana tadiavina, hamerina ihany ny tsy mety nataon’ny teo aloha: mampiasa vola. Niarahan’ny rehetra nahita ny zava-nisy teny anivon’ny Antenimierampirenena: nampiantsoana tsirairay ireo depiote. Izay nanana dosie dia hoe hita izany. Izay tsy nanana kosa, notambatambazina nomena vola. Izay no niainana. Ny toy izany no efa niainana sy tokony hovaina ary hialana. Nefa ao anatin’
izao hoe fanovana izao, mbola atao eny amin’ny Ante­nimierampirenena ihany ny toy izany. Mampalahelo.
“Izahay ilay olona tsy azo sandaina vola, tsy azo ahodina amina foto-kevitra ijoroanay: efa nijoro izahay hatrany am-boalohany”, hoy izy. Ny nahafinaritra azy: nisy depiote 33 nifidy azy, izay tsy nampiasana vola fa hevitra no navoaka. Lazaina fa lapan’ny demokrasia ny Antenimierampir­enena. Ao no tokony hanjaka ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ary misafidy, fa tsy foromporonina zavatra toy ireny: tsy ekena.

R. Nd.

Partager sur: