Tana Water Front: Hiverina hisokatra ny Cinépax

 

Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika anaty efitrano! Niarina tamin’ny fahavoazany ny Cinépax Madagascar etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Hiverina handefa sarimihetsika, manomboka anio. Tsy mbola toa ny teo aloha, saingy efa vaovao mahafaly ny fisokafan’ireo efitrano fijerena sarimihetsika roa, izay efa nandramana ny alarobia lasa teo. Naverina nalefa ny sarimihetsika « The Conjuring: L’heure du jugement » sy ilay sarimiaina « Demon Slayer: La Forteresse infinie », nitsapana izany. Avy hatrany dia hisy sarimihetsika vaovao kosa anatin’ny fandaharam-potoana manomboka anio, toa ny « A Big Bold Beautiful Journey », « Tron: Ares », « Gabby et la Maison magique – Le film » ary ny « Chainsaw Man – Le film: L’arc de Reze ».
« Ny tolakandro ihany aloha no handefasana ny sarimihetsika, fa tsy mbola misy ny alina. Mandeha tsikelikely mihitsy, kanefa tsy misy fiovana ny vidim-pidirana », hoy ny tomponandraikitry ny Cinépax.
Tsiahivina fa anisan’ireo nidiran-doza, niharan’ny fandrobana sy fanimbana, ny 25 septambra teo, ny Cinépax, toa ireo rehetra tao amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Samy anatin’ny ezaka fanarenana avokoa ireo orinasa sy magazay ao amin’ity toerana ity, izay irariana ho tafarina sy ho tsara kokoa no ho ny teo aloha.

Zo ny Aina

Partager sur: