Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc.
«Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny fanambarana, manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Maneho ny fanirian’ny tompon’andraiki-panjakana hampifantoka ny ezaky ny firenena ho fanatanterahana ny dingan’ny fanavaozana ny Repoblika izany fanapahan-kevitra izany, araka ny fanambarana hatrany. « Mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny HCC ny 14 oktobra teo izany. Tanjona ny hananganana fanjakana matanjaka hanamafisana ny firaisam-pirenena ary iantohana ny fitoniana sy ny fandrosoana maharitra », hoy ihany ny fanambarana.
Mbola ao anatin’ny Sadc i Madagasikara
Nohamafisina tamin’izany fa tsy manala an’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc izany. Mikendry ny fandriampahalemana maharitra ary fampandrosoana ny fanirian’ny vahoaka malagasy. Mifanaraka amin’ny soatoavina naroson’ireo raiamandreny mpanorina ka tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana manorina. « Fanamafisana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana sy ny firaisankina eo anivon’ny vondrom-paritra izany », hoy ny fanambarana. Notsindriana tamin’izany fa manamafy ny fahavononana hiara-kiasa amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc i Madagasikara.
Araka izany, andrasana ny handray ny toeran’ny ho mpitarika ny Sadc hatramin’ny aogositra 2026.
Synèse R.




