Mafy sy sarotra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy azo antoka hoe mandra-pahoviana; eny, na aza ny fe-potoana roa taona. Miankina amin’ny fahavononana sy fahamatorana ny raharaha. Nefa eo ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana, fitozoana… Fanavaozana na fanorenana ifotony no atao. Hatraiza? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vaovao na manana fijery vaovao ahay no afa-kitondra zava-baovao… Ho tapaka ve ny tadim-poitra namatotra na naningotra ny tena izay ela izay? Manomboka eo ny fanovana na fanorenana ifotony.
Nahoana, ohatra, no miverimberina ny korontana politika? Misy manontany tena: sao tsy zaka ny rafitra sy sata repoblikanina? Rehefa lalàna dia lalàna, ohatra, fa tsy hoe rehefa voasaringotra amin’ny fandikan’izany dia anaovana hetsika sy fitakiana hoe: “Avoahy ny zanakay!”. Tsy natao fialokalofana amin’ny fanaovana kolikoly sy kiantranoantrano koa, ohatra, ny fihavanana. Ahoana no mira zotra amin’ny fitondrana ara-panjakana ny ara-drazana? Na tsy maintsy asiana fifandanjam-paritra izay rehetra atao. Misy tsy mihevitra afa-tsy ny faritra niaviany? Fa tsy izay mahasoa ny Malagasy sy mampandroso an’i Madagasikara no atao…
Maro ny ohatra azo visavisaina sy tanisaina: tena mahatsiaro sy miaina ho iray ve ny Malagasy ary tokana tsy mivaky sy iombonana i Madagasikara? Tsy misy zanak’Ikala hafa na faritra an-jorom-bala. Izay miombona sy mampiombona no ampitomboina, fa tsy izay mampisaraka sy mampiady an-toerana. Indrindra izay tarazo ratsy teo aloha.. Ahoana izay tena mahasoa sy mampandroso? Iray ny Malagasy, iray i Madagasikara, iray ny tanjona: fampandrosoana. Mbola handairan’ny zarazarao hanjakana ihany ve amin’izany? Na dona tapany handoavana erany… mampahantra.
R. Nd.




