«Mondiaux Junior 2025» : Nahazo tompondaka miisa 4 i Madagasikara

Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, sokajy «Ju­niors» lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne ny 24 – 26 oktobra lasa teo. Tsy niveri-maina fa nahazo tompondaka maneran-tany miisa 4. Notsiahi­vin’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation Sport Boule de Madagascar fa nisy ny fanavaozana, natao nandritra iny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy zandriny lahy sy vavy miaraka iny. Natambatra ny isa teo amin’ny «tirs de précision» sy ny «doublette mixte» ary ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Nitazona ny laharana voalohany i Madagasikara rehefa nahazo isa 65 ka nibatana ny ho tompondaka maneran-tany miisa 4, tamin’ny alalan’i Cla­rito, Mitia, Nathanael ary i Sarobidy.
Tsy nanafina ny mpitantana ny FSBM fa nahafa-po ny vokatra azon’ny Malagasy, tamin’ny fampiarana ny politika mahomby dia ny fandrafetana ny ekipa miatrika ny «Mondial», amin’ny alalan’ny fifantenana ho ekipam-pirenena. Porofon’izany, ny nandrombahan’i Madagasikara ny «Mondial La Marseillaise» ary ny Malagasy no firenena vahiny voalohany nahazo izany.

Farany, namaly ireo fanakianana azy amin’ny lalam-pifidianana ny filohan’ny FSBM ka nanambarany fa manaraka ny lalàna avokoa ny zavatra natao ary nolanian’ireo filohan’ny ligim-paritra nanatrika ny fivoriambe.

Tompondaka

Partager sur: