Rabary Paul : “Tsy fanovana olona fa rafitra ny fanorenana”

“Ao anatin’ny hoe fanorenana ifotony: tsy manova olona, fa manova rafitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Fanovana rafitra ny fanovana. Misy lalan-tsaina telo amin’ny Lalàmpanorena­na eto Mada­gasikara. Na­nomboka tamin’ny taona 1960 ka hatramin’izao, lalàmpanorenana mametraka fanjakana miainga eto Antananarivo, baikoin’Antana­narivo, fehezin’Antananarivo. Izay ilay fanjakana tokana, miangona amin’ny fanjakana foibe ny fahefana.
Misy kaominina 1 600 manerana an’i Madagasikara. Mbola tendren’ny lehiben’ny distrika ny mpitam-bolan’ireo kaominina ireo. Tsy afa-manapa-kevitra akory ny amin’izay fomba handaminana ny vola miditra sy mivoaka amin’ny kaominina ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka, fa tsy main­tsy mandalo amin’ny mpitam-bola kaominaly izay tendren’ny lehiben’ny distrika. Nefa ny minisiteran’ny Atitany no manendry ny lehiben’ny distrika.
Tsy mety ho an’ny firenena intsony ny fanjakana tokana miangona amin’ny fanjakana foibe ny fahefana, miaraka amin’ny fitondrana eo an-tanan’ny filohan’ny Repoblika. Nanala ny filoha isany Tsiranana ny tolona tamin’ny 1972, nanala an-dRatsiraka ny tamin’ny 1991, nanala an-dRatsiraka ny tamin’ny 2002, nanala an-dRavalomanana ny tamin’ny 2009, nanala an-dRajoelina ny 2025. Ny tenenin’ny olona dia hoe miala ilay olona. Rehefa miala ilay olona, tafavoaka ve ny firenena? Ny olona no miala, fa ny rafitra tsy miova.

R. Nd.

Partager sur: