FANTINA sy FINTINA

Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa ilaina ny fampihavanana ahafahana manangana firenena, mba hirindra sy handroso. « Tsy azo havaozina ny firenena raha tsy voavaha aloha ny ratram-po sy ny tsy fitoviana », hoy izy amin’izao fiovana eto amin’ny firenena izao. Tsiahivina fa izao indray vao naneho hevitra ity mpanao politika ity, hatramin’ny fifidianana ny taona 2023, noho mankaty.

Niverina niasa, nanomboka omaly, ireo mpandraharahan’ny fonja manerana ny Nosy. «Misokatra manomboka izao, araka izany, ny fonja rehetra» hoy ny sendikàn’ny mpandraharahan’ny fonja. Nambaran’izy ireo ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fifampiresahana tamin’ny minisitry ny Fitsarana, ny sabotsy teo. Hanao tohivakana izany ny fampidirana am-ponja na koa ny famoahana ireo tokony ho nahavita ny sazy ato ho ato.

Hirosoana ny fakan-kevitra momba ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, ny zoma ho avy izao, etsy Anosy. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana fahenina napetraky ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana ho amin’ny fanavaozana, araka ny fanambarana. Mpikarakara izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.

Partager sur: