Fanovana ifotony : Azo atomboka amin’izay ny « tena fanagasiana »

Tsy ilay tany amin’ny taona 1975 no haverina fa ny «tena fanagasiana» no atao. Tsy tokony ho lany fotoana amin’ny fitadiavana anarana na voambolana hoenti-«ma­nagasy» ny «cube», «racine carrée», «domaine de définition», sns, intsony ny mpampianatra sy ny mpikaroka.

Fanapahan-kevitra hentitra no ilaina : «Ny teny mala­gasy no hoenti-mampianatra any an-tsekoly». «Ireo filàn’ny Malagasy sy i Madagasikara no ampianarina any an-tsekoly. Ny ankoatra izay, hesorina», «Ny momba azy no mila fantatry ny taranaka Malagasy voalohany, izay vao ny an’ny hafa»… Ampahany amin’ny endrika tokony hisehoan’ny «tena fanagasiana» ireo.
Tsy zava-baovao ireo fa fanarahana ny lamina voajanahary. Raha tian’ny Mala­gasy ny hahita ny «tena fandrosoana», mila arahina ny «tena fanagasiana». Amin’ny maha midadasika an’i Ma­dagasikara. Eo ihany koa ny fananany kolontsaina sy soatoavina maro. Mety tsy hitovy ny ezaka hatao amin’ny fampanjakana sy fiainana ilay «tena fanagasiana». Mety tsy hitovy ny filàn’ny toerana sy faritra na ny mponina…

Fanovana ifotony no atao raha tena miainga eny ifotony ny zavatra hatao. Noho izany, ny fomba fisainan’ny Ma­la­gasy tsirairay no mila manai­ky ny lamina voajanahary mba hisian’ny fifanajana ka iainana ny harena ny fahasamihafana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: