Famafana sazy : Ho avy hifampiresaka ny iraky ny Vondrona afrikanina

Handefa iraka ho avy eto Madagasikara ny eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA). Hanelanelana sy hitady vahao­lana manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny sazy ho an’i Madagasikara.

Ho avy indray ny iraka ma­naraka. Noten­dren’­ ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ho iraka manokana ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ny mpanolotsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, i Mohamed Idriss Farah, avy any Djibouti.
Andraikitra hosahaniny amin’izany, miaraka amin’ireo delegasionina hotarihiny, ny hanamafisana ny fifampire­sahana amin’ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ny firaisamonim-pirenena, ny mpitarika ny tanora. Eo koa ny ho fihaonan’izy ireo amin’ny antoko politika mba hiverenana amin’ ny voafaritry ny Lalàm­pano­renana eto amin’ny Repobli­kan’i Madagasikara.

Hamafana ny sazy iraisam-pirenena

Efa nilaza ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana­ma­hasoa Christine, ny alatsinainy teo, tamin’ny fananganan-tsaina fa vaindohan-draharaha ny hamafana ny sazy iraisam-pirenena. Anisan’­iza­ny ny avy amin’ny UA, taorian’ny 14 oktobra nandraisan’ny Kly Randrianirina Michaël ny fitantanana ny firenena. « Aoka hifampitantana hanao ny he­tsika ara-diplaomatika rehetra hanohizana ny fifandraisana iraisam-pirenena ka hama­fana ny sazy mihatra amin­tsika isika », hoy izy.

Etsy andaniny, andrasana ato ho ato ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny Troika (Sadc) momba ny toe-draharaham-pirenena eto Mada­gasi­kara, taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny irak’izy ireo teto, ny volana okrobra teo.

Synèse R.

Partager sur: