Lasa misy fikorontanana anaty tsy fidiny ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany sasany amin’izao. Misy ny fanararaotana? Na nipoaka ho azy izay niotrika ela… Tsy inona fa ny hetsika ataon’ny mponina na ny ampahan’ny mponina: mitaky ny fanalana ny ben’ny Tanàna na ny lehibem-pokontany, tsy mamela ny famohana ny biraon’ny kaominina na ny biraom-pokontany… Saika mandeha ho azy ny fanaovana hetsika? Na ny mpianatry ny ambaratonga faharoa aza, ohatra, nahavita nidina an-dalambe teto Antananarivo: mitaky ny famerenana sy fanohizana amin’izay ny fampianarana.
Inona na ahoana koa ny manaraka? Mitady handeha ho azy tsinona ny fanaovana hetsika avy hatrany, raha vao misy tsy zaka. Hadino na very ny hoe fifampidinihana fitadiavana marimaritra iraisana? Na avy hatrany dia mifanenjana sy mifanenjika amin’izay atao sy mitranga… Ho tonga hatraiza? Izay no maha zava-dehibe ny fitsipika aman-dalàna. Mba misy dingana sy fomba arahina izay atao. Na fitakiana io, na fitarainana. Tsy misy toy ny mifampihaino? Mila mihaino koa ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Mba tsy hivadika zavatra hafa ny raharaha…
Tsy ny tsy fifampihainoana ve, ohatra, no anisan’ny mahatonga ny fitarainana sosialy tsotra lasa fitakiana politika? Na fanalana tomponandraikitra… Amin’izany, mila vahana avy hatrany amin’izay izay fitarainana na fitakiana mitranga. Tsy andrasana ho efa saro-bahana na mitambatra be vao ikoropahana. Efa misaringotra amin’ ny sehatra hafa… Famonoana afo saika mahatratra aoriana: ifanomezan-tsiny, mandatsa… Sarotra arenina? Izay koa no maha zava-doza ny fivangongoam-pahefana? Na ankinina na iandrasana olona iray avokoa ny zava-drehetra… Mba hatrany ifotony ny hoe fanovana?
R. Nd.




