“Najoro ny Komity miaro ny tolona (KMT) mba hiaro ny tolona natao”, hoy ny fanambaran’izy ireo, notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mba hanarenana sy hamerenana an’i Madagasikara sy ny Malagasy eo amin’ny toerana tena sahaza azy no antony itsanganany. Hitondrana koa ny fanavaozana eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy, indrindra ny politika. Ezahina hotanterahina ao anatin’ny fangaraharana izany, ara-drariny sy ara-dalàna manandratra ny fiandrianam-pirenena.
Ivondronan’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny tolona ny KMT, hiaro an’izany amin’ izay mety ho fihoaram-pefy. Eo koa ny fanaraha-maso an’ ireo fangatahana rehetra hisian’ny fiovana marina eto amin’ny firenena. Mbola maro ny asa miandry: ny hahatongavana amin’ny tena fanavaozana. Hampahatsiahy ireo rehetra natao ka mila tanterahina ny komity. Eo ireo olana sosialy miantraika mivantana amin’ny vahoaka: fisitrahana ny zo fototra toy ny fahazoana jiro sy rano, iainana sy ivelomana ary iasana.
Eo koa ny fametrahana ny lamina politika rehetra hisian’ny fanavaozana. Ny fihaonambem-pirenena hakana ny hevitry ny Malagasy. Tanjona ny hametrahana Repoblika vaovao sy hisitrahana ny vokatry ny fanavaozana. Mba ho hita taratra ny vokatry ny tolona, fa tsy ho toy ny teo aloha mahatonga ny fiverimberenan’ny krizy, raha ny nambaran’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara izany. Tsy mbola vita ny tolona. Mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo te hiverina amin’ ny fomba ratsy rehetra, ary manao ny fomba rehetra haminganana, tsy hahatontosa ny fanavaozana tian-katao. Tsy azo ekena izany, ary hitsanganana amin’ny fotoana rehetra. Misokatra amin’ny rehetra ny KMT.
R. Nd.




