“Festival des pirates”: Ny kolontsaina ho fanoitra ho an’ny fizahantany

Raha vao miresaka jiolahin-tsambo, fahiny, dia miresaka ny Nosy Sainte Marie izay. Tena nitoerany sy nivezivezen’izy ireo ity nosikely aty Madagasikara ity. Maro ny fikarohana ara-tantara manaporofo izany, manampy ireo ny vakoka hita maso an-tanety, sy ireo harembakoka any amin’ny farany lalina an-dranomasina. Manintona mpizahatany izy ireny, ka nampitsiry ny hevitra hikarakara ny « Festival des pirates », izay miditra amin’ny andiany fahatelo, ny 28 hatramn’ny 30 novambra izao.

Hetsika ara-kolontsaina ny fototra, izay manana tanjona ny hisarika mpizahatany vahiny na avy amin’ ny faritra hafa, ivelan’ny va­nim-potoana mahazatra. Miampy fanatanjahantena koa izany, mba hahafeno ireo fialamboly mahaliana. Hisy, araka izany, ny fifaninanana haka endrika amin’ireny fandaharana « Koh Lanta » ireny. Eo ny fahala­lana ankapobeny momba ireo jiolahin-tsambo. Hiampy ny fahafantarana ny tantara sy ny vakoka koa izany. Arahina fi­faninanana mampiasa vatana, toy ny lomano, fihanihana, fa­hakingana, sns, ny hetsika. Mazava loatra fa tsy afa-misa­raka amin’ny hetsika toa izao ny fampisehoana, izay hafanain’ireo mpanakanto malaza, toa an’i Big Mj, Ceisa, sns, miampy ireo talenta vao any an-toerana.
Ho fanomezana tosika ny kolontsaina, ny vakoka, ny fanatanjahantena ary ny fizahantany, manampy hatrany ny “Festival des pirates” ny Orange Madagascar. Kasaina ho anisan’ny festival lehibe indrindra aty Madagasikara izany hatramin’ny taona 2028.

Zo ny Aina

Partager sur: