Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana endrika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotanterahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao anatin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny mitataovovonana no hanatontosana ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ary fampitam-pahalalana momba izany. Ny tolakandro, manomboka amin’ny 3 ora kosa, hisokatra ho an’ny rehetra ny sehatry ny efitrano malalaky ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy.
Fantatra fa sokajiana ao anatin’ny lahabolana am-bava ny Slam. Tsy mifanalavitra loatra amin’ny kabary izy io, amin’ny lafiny sasany. Na izany aza, iraisana kosa ny tokony hananana saina kinga sy mivelatra amina lafin-javatra maro. Manampy indrindra ny mpiangaly Slam ny fananany izany.
Iray amin’ireo zavakanto manavanana ny Malagasy izy io. Nambaran’ireo vahiny manam-pahaizana manokana momba ny Slam fa: « kanto tokoa ny slam ataon’ny Malagasy noho ny fananan’ny teny malagasy lantom-peo tsara sy mazava, hany ka mampite hihaino hatrany ».
HaRy Razafindrakoto




