“Io no hamaritra ny dingana mandritra ny Tetezamita. Kihon-dalana ho an’ny firenena izao. Tsy manan-jo hanao fahadisoana intsony isika”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Homanina sy halamina ary hatao tsara ny raharaha. Tsy maintsy miainga any ifotony ny fihaonambem-pirenena. Farafaharatsiny eny anivon’ny distrika; avy eo, miakatra aty amin’ny foibe. Alaina ny hetaheta sy ny fanirian’ny olon-drehetra any ifotony. Tsy maintsy tandremana: aoka tsy izay be vava na hita matetika amin’ny serasera ihany…
Mba ho hita izay manana rafitra sy ny sokajy rehetra: mpanao politika, fiarahamonina sivily, raiamandreny ara-drazana, tanora, vehivavy… Aoka tsy hifanilikilika amin’ny fihaonambem-pirenena. Jerena koa ireo lohahevitra tokony hodinihina? Aorian’ny fifidianana ny krizy matetika. Tokony hisy vaomiera iray, ohatra, ny zotra sy ny lalàn’ny fifidianana. Eo koa ny lalàmpanorenana mendrika an’i Madagasikara. Tsy lafiny politika ihany no hojerena, fa eo ny fifanakalozana ara-toekarena, sosialy…
Raiamandreny ara-panahy ny FFKM. Misy ampahana Malagasy tsy ao anatin’izay. Tsy raharaham-piangonana io, fa raharaham-pirenena. Mba hanan-kery amin’ny fanatanterahana ny asa atao, ampidirina ao anatin’ny fikarakarana ny fanjakana ka ho hita taratra ny finiavan’ny fanjakana hanatanteraka izay tapaka rehetra. Sao voatohintohina ny hasin’ny fiangonana. Mba ho fiarovana azy, miara-mikarakara ny fiangonana sy ny fanjakana.
R. Nd.




