Fidisoa Ramanahadray : “Manampy be amin’ny fikirakirana sary ny IA”

Mpaka sary efa anisan’ireo ela teo amin’ny sehatra, niaina ny fivoaran’ny tontolon’ny saripika, i Fidisoa Ramanahadray, izay naka namana ny “Intelligence artficielle” izao. Hiompana amin’izay ny lohahevitry ny “SAR’nao” amin’ity.

Mpanampy sa fahavalon’ny zavakanto ny fa­haranitan-tsaina artifisialy na ny IA? Tato anatin’ny taona vitsy nampiroborobo azy, maro ireo sehatry ny kan­to nametrahana io fanontaniana io. Tsy mamantam-bonona ve? Ahoana ny momba ny forona ara-javakanto? Ny aingampanahin’ny mpanakanto? Mbola fanontaniana mipetraka avokoa izany.
Kanto iray, tsy nodinganin’ ny rivotra mitsokan’ny teknolojia ny saripika, izay hampiasana betsaka ny IA amin’izao fotoana. Antony iray nosafidina ny lohahevitra “Vison IA”, amin’ity “Festiva SAR’nao”, na ny “Iray volan’ny saripika”, ity izany. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny hetsika tetsy amin’ny AFT An­davamamba.
Nisantatra ny fampirantiana ireo sanganasany i Fidisoa Ramanahadray, mpanao ga­zety, mpaka sary ary indrindra mpikarakara sy tomponandraikitra voalohany amin’ny “SAR’ nao”. Anisan’ireo namaly ny fanontaniana mipetraka etsy ambony izy: “Manampy be amin’ny fikirakirana ny sary ny IA. 42 taona aho no naka sary, nanomboka tany amin’ny tontolon’ny arzentika, nikirakira ny niomerika ary izao tonga hatramin’ny fampiasana ny IA. Misy rivotra mitsoka hatrany amin’ny teknolojia. Taloha raha tsy nahay niomerika dia ohatran’ny bado. Izao indray, izay tsy mahay mampasa ny IA dia anisan’ny bado koa”, hoy ny nambaran’ity andrarezina amin’ny saripka ity.
Sary miisa 22 no nosafidin’i Fidisoa Ramanahadray haranty mandritra izany. Saripika izay nampiasaina ny IA avokoa ireo, mba hamoaka ilay tena kanto indrindra avy amin’ny fitambaran’ny talentan’ny mpaka sary sy ny teknolojia. “Manaiky aho hoe misy lafy ratsiny io, toy ny zava-dehetra ihany. Fa azo trandrahina tsara amin’ny maha fitaovana manampy azy, satria na ny resaka fotoana fotsiny aza dia ahitana tombony be ny fampiasana ny IA”; hoy ity mpaka sary ity. Mbola hisy hetsika maromaro manodidina indrindra ny lohahevitra, toy ny adihevitra sy atrikasa ary fifaninanana saripika ampian’ny IA, mandritra ny “SAR’nao”.

Zo ny Aina

Partager sur: