Iray amin’ireo hetsika lehibe fanao isan-taona eo amin’ ny tontolon’ny rock ny «November Rock». Hotanterahin’ny tarika Rheg, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny 15 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-14 ity seho ity. Niainga tany amin’ny taona 2000. Efa lalan-davitra no nodiavin’ny «Rock Heavy Gasy» na ny Rheg. Na teo aza ny fiovan’ny mpikambana, nanomboka ny taona 2019 no mankaty. I Titan no mpively ny amponga maroanaka. Izy rahateo no mikapoka ny apongalava sy izay zavamaneno fikapoka rehetra. I Tsila no mitendry ny gitara beso sady tomponandraikitra voalohany amin’ny fandrindrana ny hiran’ny tarika. I Hoby mitendry ny gitara marani-peo. Efa tany amin’ny taona 2017 izy no nitendry teo anivon’ny tarika. Manampy indrindra amin’ny fandrindrana ny hira. I Reg, mpikambana mpanorina. Mitendry gitara mandrafitra ny “accord “. Mpamoron-kira sy mpihiran’ny tarika rahateo izy.
Fantatra fa hampiavaka ny « November Rock » andiany faha-14 ny fampidirana mpikambana fanampiny izay hisahana ny fitsofana zavamaneno tahaka ny farara, « saxophone », sns. « Maro ny zavakanto sy tsangambato nanamarika izay 25 taona an-tsehatra izay. Anisan’ny hira tena nahafantarana ny tarika Rheg, ohatra, ny Raozy, izay efa tany amin’ny taona 2000 tany ho any. Revy akostika tanteraka ny seho amin’ity na dia mozika mavesatra aza no atao », hoy i Reg raha namintina ny endrik’ity fampisehoana ity.
HaRy Razafindrakoto




