Tsy ho tratra amin’ity taona ity. Andrasana ny andro hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena karakaraina sy tarihin’ny FFKM miaraka amin’ny fitondram-panjakana.
Tafiditra amin’ny famahana olana sy fiatrehana ny fanorenana ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatanterahana izany. Tombanana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny loharanom-baovao.
Etsy andaniny, nahemotra kosa ireo hetsika tokony hataon’ny fiangonana efa-tonta. “Iaraha-mahita ny zava-misy sy ny raharaham-pirenena eto amin’ny tany sy ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny tonia eo anivon’ny FFKM, ny Rev Ranaivoarivelo Vonjisoa Tahina, ny amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny zaikabe faha-X sy ny Komity foibe faha-47 eo anivon’ny FFKM. Nokasaina hatao any Mahajanga, ny 24 hatramin’ny 29 novambra ho avy izao izany Naminavina hanatanteraka amin’ireo vaninandro ireo ny FFKM. Nefa noho ny fandaminana manokana sy ny andraikitra raisin’ ny FFKM manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’ izao fotoana izao: hakisaka amin’ny 17-20 febroary 2026 indray izany, ary hatao any Mahajanga.
Fankalazana ny faha-45 taon’ny FFKM
Fanokafana ny Komity foibe faha-47 sady fankasitrahana ny filohan’ny FFKM teo aloha, ny Rev dokotera Andriamahazosoa Irako Ammi, ny amin’ny 17 febroary 2026. Mitohy avy hatrany amin’ny Komity foibe ny 17 hatramin’ ny 20 febroary ny zaikabe, ary ny 20 febroary ihany no famaranana ny faha-45 taon’ny FFKM, araka ny fanazavany. Na eo aza izany, misy ihany ny famindram-pitantanana eo anivon’ny FFKM amin’ny 18 janoary 2026. Fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaka rahateo io andro io, ary ivon’ ny fankalazana ny faha-45 taon’ny FFKM.
R. Nd.




