FANTINA sy FINTINA

Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie.
Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny 20 sy ny 21 novambra izao. Efa nikasa ny ho any an-toerana ny tenany tamin’ny fandalovany teto Madagasikara. Tsy tanteraka anefa izany noho ny fotoana nifanindry amin’ny nandevenana ny Papa Fransoa. Izao izany vao tena raikitra ny fitsidi­hany atsy amin’ity Nosy rahavavy ity.
Nitaky ny fialan’ny ben’ny Tanàna koa ny vahoakan’ny kaominina Andramasina, omaly. Nidina an-dalambe izy ireo nilanja sorabaventy naneho izany. Tanisain’izy ireo amin’izany fa tsy nisy zava-bita tao anatin’ny 20 taona. Manjaka ny kolikoly. Teo koa ny hala-bato tamin’ny fifidianana farany teo…
Nanao hetsika fitakiana ny fialan’ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henin­tsoa « Tota », ny avy amin’ny Gen Z Atsimondrano, omaly. Nokianin’izy ireo tamin’izany ny resaka fitanta­nana ny kaominina ka nanomezan’izy ireo 72 ora hialan’ ny ben’ny Tanàna. Namory ny mpomba azy sy nanao fotoam-bavaka kosa i Tota tamin’izany.

Partager sur: