« Festival An’Tsary Doc Mada 2025 »: 3 andro ho an’ny horonantsary fanadihadiana

Mampahafantatra, manatsikafona, manasongadina ny horonantsary fanadihadiana. Ny fisokafana amin’izao tontolo izao indrindra no tanjon’ny hetsika « Festival An’Tsary Doc Mada 2025 ».

Hetsika ho an’ny horonan­tsary fanadihadiana. Nahitam-pahombia­zana ireo andiany teo aloha, ka hotohizana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Saika ho natao tamin’ny volana septambra teo izy ity, saingy voatery nahemotra, ka hanom­boka anio hatramin’ny alahady izao izany. Telo andro hampahafantarana lohahevitra samihafa, anatina horonantsary fanadihadiana maro karazana no hitranga etsy amin’ny IFM Analakely. Toy ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra, haka endrika fifaninanana izany. Hisy sokajy maromaro, toy ny fanadihadiana lava, ny horonantsary fohy, sns.
Ho an’ny anio, amin’ny 9 ora maraina, ny fandefasana ireo horonantsary, ka ireo mifaninana anatin’ny sokajy horonantsary fohy no hanomboka izany. Milahatra ao anatin’ity sokajy ity ny « Little Garden », an’i Rajaonary Ma­nantsoa, mifaninana amin’ny « Fekryis Thoughts », notontosain’i Hay­der (Egyptien) sy ny « Ndéey : La conféssion » an’i Do Moustapha (Sénéga­lais), sns. Ao amin’ny sokajy horonantsary lava indray no ahi­tana ny « Zaho izay », horonantsary niarahan’i Do Ranaivojaona sy Tiller nanatontosa. An­koatra ireo mpifaninana, misy ihany koa ireo horonantsary nosafidiana manokana, hampahafantarina ireo mpankafy azy. Maromaro izy ireo no halefa, hatramin’ny alahady.
Tany am-boalohany, natao hampahafantarana an’i Madagasikara sy ny tantarany, ny harenany, ny mponina, ny fiarahamonina, ny kolontsaina, ny zavaboahary, sns, ny hetsika. Nivelatra ary nisokatra tamin’ireo firenen-kafa izany, nanomboka tamin’ireo aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Fisokafana sy fivelarana ho an’ny iraisam-pirenena ihany koa, ho an’ireo mpanatontosa horonantsary fanadihadiana. Maro ireo vahiny mpanatontosa efa eto Madagasikara, handray anjara sy hanatrika azy ity. Ny Aye Aye Dev sy ny fikambanana AsaSary no tompon-kevitra sy mpikarakara ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: