Azo atao eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanemorana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, araka ny fanapahana lah. 13-HCC/D3, tamin’ny 6 novambra lasa teo, ny amin’ny fangataham-panazavana ny And. 4 amin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 tamin’ny 14 oktobra. Izany dia noho ny fanambaran’ny HCC ihany tamin’ny fanapahana lah.10-HCC/D3 fa taorian’ny fizahana ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika: ao anatin’ny fe-potoana 30 andro farafahakeliny ary 60 andro farafahelany ny fifidianana filohan’ny Repoblika, araka ny And. 46 sy 47 amin’ny lalàmpanorenana.
Araka ny andininy voalohany amin’io fanapahana io, ampiarahana ny fangatahan’ny filohan’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) sy ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Apetraka amin’ny And. 69 sy 80 ary 114 amin’ny lalàmpanorenana ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny HCC. Voalazan’ireo andininy ireo ny amin’ny fe-potoam-piasan’ireo andrimpanjakana ireo tsirairay avy.
Ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Ceni dia apetraka ao amin’ny And. 21 amin’ny lalàna lah. 2015-020 momba ny rafitra nasionaly mahaleo tena tomponandraikitra amin’ny fikarakarana sy fitantanana ny raharaham-pifidianana, fantatra amin’ny anarana hoe Ceni, ny an’ny mpikambana ao amin’ny HCDDED ary ny lalàna najoron’ny lalàna mifehy ny fifidianana 2015-001 momba ny HCDDED.
Araka izany, manohy ny asany hatrany ireo andrimpanjakana telo tonta ireo, ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny HCC.
R. Nd.




