Kanto an-tanàn-dehibe : Mpanakanto maro no haneho ny talentany

Roa herinandro hanasongadinana ny talentan’ireo mpanakanto misehatra amin’ny kanto an-tanàn-dehibe. Hanova ny tolotra ara-javakanto mahazatra koa ny « Festival d’art urbain » na ny FAU.

Manana sy mahafehy karazany maro amin’ireo zavakanto an-tanàn-dehibe ireo mpanakanto malagasy. Maro tsy ampoizina, misy nalaina tahaka amin’ny any ivelany ary misy forona manokana niainga teto amin’ny tanàna. Tsy natao ho fahafinaretan’ny maso sy ny sofina fotsiny fa natao ihany koa hampisongadina ny mpanakanto sy ny talentany izy ireny. Antony iray hikarakaran’ny La Teinturerie ny «Festival d’art urbain», izay hotontosaina ny 21 hatramin’ny 30 novambra izao.
Nisy ny fiantsoana ireo mpanakanto izay maniry handray anjara, na matihanina na tsia, ny volana septambra teo. Maro ny namaly ary efa mirafitra ny fandaharam-potoana ha­nehoan’izy ireo ny aingampanahiny. «Graffiti» na irony ho­sodoko amin’ny rindrina mampita hafatra irony, no anisan’ny maro mpanao. Manana ny mpanakanto tena misongadina amin’izany ny eto, toa an’i Clip­se Tean, Naty Kaly, Rina Art, Maherisoa, Faraky, Tsiam­ba­nindahy, Ponk, Echo, Raheryz, A.J, Taka, Dina Rabearivelo, sns. Eo amin’ny mozika an-tanàn-dehibe indray ahitana an-dry Illicit Soul, Aloo, Eklyps, IH-Man & R-S, hizara ny sanganasany. Ankoatra ireo ny atrikasa sy fifanakalozana, na eo amin’ny samy mpahay kanto na eo amin’ireo mpankafy.
Niverina eto Antananarivo, rehefa avy nijery faritra ka niato nandritra ny 4 taona ny «Festival d’art urbain». Hana­marihana ny faha-10 taonan’ny hetsika izy ity, izay na teo aza ny zava-nitranga teto amin’ny firenena sy ny olana isan-karazany dia mizotra tsara ihany ny fanomanana. Roa herinandro hanehoana amin’ny mpiara-monina fa misy lanjany ny kanto an-tanàn-dehibe, ary hitoetra ho tsaroan’ny taranaka.

Zo ny Aina

Partager sur: