Sehatra bagasy: Omen-danja ny hiran’ny vehivavy…

… Tsy ho diso anjara ihany koa, anefa, ny hiran’ny lehilahy! Hiavaka ny anio raha oharina tamin’ireo andiany teo aloha. «Zara sehatra» hiarahana amin’ny Sehatra bagasy izay hanomezan-danja ny hi­ran’ny vehivavy. Fampise­hoana sy fifampizarana ha­nomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsahavola. Samy haneho ny talentany ireo re­hetra ho tonga eny an-toerana. Hisy rahateo ny sehatra malalaka. Na izany aza, efa nisy ihany ny fandefasana na fampitana mialoha ny lohatenin’ireo hira heverina fa ma­maly ny lohahevitra « hiran’ny vehivavy sy ny hiran’ny lehilahy ».
Nosafidian’ny Sehatra ba­gasy tamin’izany: «Hotsa­ro­vantsika» (Samuel Raha­mefy), «Veloma ry Saïd Omar» (Naka Rabemanan­tsoa), «Andeha ha­nasa lamba» (Rajoro), «Ny fo lavi-tiana» (Andrianary Ratiana­rivo). Manampy ireo ny «Mivo­lom-bato­soa» (Therack), «Ambarambarao» (Naka Rabe­manantsoa), «Fampi­taha» (Naly R), «Tsikirity momba fody» (Tseheno), «To­kan’iny» (Naly R), «Tantano­nao ry Ray» (Ranaivo Rana­rivelo), «Han­dao ity tanà-nahazatra» (Naka R). Eo koa ny «Rehefa ma­nam­bady Ravorona» (Rajoro), «Raha ny rano nantsakaina» (Rasa­my Gitara), «E diavolana» (Rajoro), «Tanàna haolo» (G. Ramiarison), «Fitiavan’i Neny» (Klarystel), «Ambarao ry takariva» (Randrianarivelo), «R’ilay otrikafon’ny foko» (The­rack), «Embona fahavaratra» (Tseheno) ary ny «Mazàna ny tsara» (Naka R).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: