« Instant Jazz » eny amin’ny Fara West Faravohitra. Haka endrika masterclass indray ny fiarahana anio, amin’ny 10 ora sy sasany. Manodidina ny lohahevitra « Ny kolontsaina Betsileo sy ny hareny anatin’ny famoronana ara-javakanto » no hitondrana fampahafantarana mandritra izany. Hitarika ny fotoana ry Mamy Ralaivita, Tsanta Nasandratra ary i Dina Mialinelina.
Mbola ao amin’ny Fara West ihany, hitohy amin’ny fampisehoana jazz mahazatra ny fotoana, anio amin’ny 7 ora alina. Hitarika ny anjoria anaty mozika i Tahina Vibe, ampian’i Moria, Lalaina ary i Lova. Anatin’ ny « Instant Jazz » hatrany ny fiarahana, hahafeno ny hetsika.
Mozika klasika, etsy amin’ny Ady Andavamamba. Hotontosaina rahampitso ny seho « Dimanche classique », ka fampiarahana ny violon sy ny piano indray no hoentin’i Iavy Raobelson sy Sitraka Ramarosandratana mandritra izany. Hamerina ny sanganasan-dry Vivaldi, Kreisler, Elgar, Williams ary Piazolla izy ireo.




