Gen Z Madagascar: Vonona hanohitra ny tsy mety

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Gen Z Madagascar, omaly, tetsy Ampandrana. Maro ny tolo-kevitra nentin’izy ireo manoloana ny fijoroan’ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny filazana fa vonona hanao fanadihadiana tamin’ny zavatra tsy nety teo aloha izy ireo. Anisan’ny notakina koa ny hamongorana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena. “Raha mbola misy ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fisian’ny kolikoly dia mbola vonona izahay hijoro, hanohitra ny zavatra tsy mety, hitadiavana ny tombontsoa iombonana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Tanjona ny hahazoana sy hananana tanin-dalàna sy manaja ny zo hiteny.
Taorian’ny firodanan’ny rafitra ara-moraly sy ara-panjakana teo aloha, tsy fanamboarana fotsiny no ilaina fa fanorenana rafitra politika vaovao miorina amin’ny hery velona eto amin’ny firenena. Tsy fanovana anaran’olona izany fa fanovana ny rafi-pitantana mihitsy. Nambaran’izy ireo koa fa zavatra andrasana amin’ny fanjakana misy ankehitriny ny fanorenana ifotony mba hampivoarana sy hampandrosoana an’i Madagasikara. Nohamafisin’izy ireo fa nahazo laka ny mpanao politika taorian’ny hetsika ary lasa anjoron-damba izy ireo.

Mino

 

Partager sur: