Natolotry ny Fiadidian’ ny Fanavaozan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay tarihan’ny Filoha Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny misiteran’ny Fanajariana ny Tany ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Oniverisiten’ Antananarivo omaly, ireo trano “Lake Village Ivato”, etsy Tsarasaotra. Mpianatry ny Oniverisite miisa 700 mahery eo no hapetraka amin’ireo trano ireo raha ny fanazavana azo teny an-toerana. Araka ny fandaminana nataon’ireo tomponandraikitra, ireo mpianatra Masters II, hisitraka ity fahazoana trano maimaimpoana ity. Nambaran’ny lehiben’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara, fa manaporofo sahady ny fanampiana ireo tanora sy ireo mpianatra izay andry sy hoavin’ny firenena, izao hetsika hataon’izy ireo izao. Tsara ny mampahafantatra fa ho entitra tanteraka ny fanaraha-maso ireo mpianatra misitraka izao fanampiana izao. Nampitandrina ihany koa ny Filoham-panjakana, mba tsy hanao kolikoly fa izay mpianatra mendrika ny hipetraka anatin’io trano io, ihany no hilafika ao. Mahakasika ny Oniversite Ankatso indray, nilaza ny Filoham-panjakana fa mitohy hatrany ny hetsika fanamboarana ny trano fonenana sy ny fidiovana, ary ny fametrahana ny angovo azo avy amin’ny herinaratra ary ny fametrahana lava-drano hamatsiana rano ho an’ny mpianatra.
Fitia Randria




