Sampam-pitsikilovana malagasy (CIS) : Nahatratra basy dimy, vola 2 miliara Ariary

Nilaza ny tale jeneralin’ny CIS, afakomaly, fa nahatratra 2 miliara Ariary sy basy dimy izy ireo. Saika
hoenti-mamono ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël izany, raha ny voalaza.

“Tsy kilalao io, fa tena sangy mihoatra ny loha”, hoy ny tale je­neralin’ny Central intelligence service (CIS), ny contrôleur général de Police Lebiria Rufin Tolojarany, tamin’ny mpa­nao gazety, teny Antani­mora, afakomaly, ny amin’ny fisian’ny olona miketrika ny famonoana ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël. Misy olona mikononkonona hanao fanonganam-panjakana ny datin’ny 15 ha­tramin’ny 28 novambra ho avy izao, araka ny fanazavany. Mbola tazonina ho tsiambarantelo aloha hatramin’izao ny toerana nanaovana fisavana. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana. Mi­angavy ary mangataka ny olom-pirenena rehetra hanome vaovao ny CIS. Haha­zoan-dry zareo miasa izany. Nanomezany toky fa hotazonina ho tsiambarantelo ny vaovao omena amin’izany: tsy hisy hahafantatra afa-tsy izay omena azy ihany.
Nahazo vaovao, tokony ho tamin’ny 3 ora, ry zareo ta­min’ny 7 novambra lasa teo. Natao ny fanamarinana, hita sy fantatra fa marina: misy olona mieritreritra hanao fanakorontanana ny fitondram-panjakana mijoro tsy ho ma­rin-toerana. Rehefa natao ny fangatahana fahazoan-dalana tany amin’ny tonia mpampanoa lalàna, nahazo alalana ara-dalàna ry zareo. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, ny 7 novambra, nanao ny fisavana. Tratra tamin’izany ny vola roa miliara Ar miaraka amin’ny basy dimy: basy fihazana roa mahery vaika, poleta telo. Vola vaovao ny 1 500 tapitrisa Ar tamin’ireo 2 000 tapitrisa Ar na roa miliara Ar, ary vola efa niasa ny 500 tapitrisa Ar. Hatramin’ny 8 no­vambra, tamin’ny 6 ora maraina, ny fisavana ny tranon’ireo teratany vahiny. Mbola misy olona roa hafa hanaovana fanadihadiana ary voalaza fa mampiasa vola be amin’izay raharaha fanonganam-panjakana tsy nahomby izay.

R. Nd.

Partager sur: