Tsy moramora fa maromaro  

Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no malaza amin’izao? Amin’izay tenenina sy atao io. Hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany ny hoe fifanatonana, fifampiresahana, fifanarahana… Fanovana ilaina koa izay. Mila amolahan-tena, ifampitaizana, ampitoerina… Tsy efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa koa fa tsy nahombiazana, tsy nifampitokisana, nanotrika alahelo anaty… Tena atao sy iainana ny fanovana? Manom­boka eo amin’ny tena aloha: mitsinjo ny hafa, mijery lavitra… Ao anatin’izany ny soa iombonana. Izay ilay hoe ho an’ny Tanindrazana?
Tsy fanararaotana amin’ny baranahiny izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao, tsy fanamparana alahelo na famaliana faty, tsy fandehanana an-jambany… Fandinihan-tena aza ho an’ny hoavy: hanao ahoana, inona no hatao? Mba tsy hiverimberenana amin’ny korontana lava sy ny fahavoazana. Tsy maika tsy faingana, nefa koa tsy mitaredretra fa ndeha hararaotin’ny sasany. Tsy manilika na iza na iza koa raha tena atao amin’ny fo madio sy saina mazava ny hoe fanavaozana sy fanovana. Tsy manjakazaka na mitompo teny fantatra ho hany marina, mahalala ny mety sy mahasoa…
Efa miova sy mihavao ny amin’izany rehetra izany ve ny tena? Na fanorenana ifotony manomboka eo amin’ny tsirairay ny fototra iaingana… Tsy misy tsy ilaina. Afa-tsy ny fanetribe, angaha, ny tsy maty voalavo an-kibo, ohatra. Izany aza ilaina ho fampitandremana ny hafa amin’ny fampiharan-dalàna sy ny famaizana. Tsy moramora fa maromaro no mila ovaina amin’ny hoe fanovana? Tsy ny rafitra aman-dalàna ihany, fa eo indrindra koa ny toe-tsaina, ny fomba fiasa, ny fahazaran-dratsy… Hatramin’ ny hoe kabary fa tsy asa, fisehoana ivelany, famitahana…

R. Nd.

Partager sur: