Tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara: Miisa 34 ireo olom-panjakana ambony teo aloha

“Mandrara ny fivoahana an’i Madagasikara ho an’ireo olom-panjakana ambony, mi­isa 34 teo anivon’ny fitondrana teo aloha, ny didy fanapahana, lah. 286 noraisin’ny mi­nisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny 31 oktobra 2025.” Io ny fampahalalam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo, momba ireo olom-panjakana ambony teo amin’ny fitondrana teo aloha.
Noraisina, araka ny taratasy lah. 094-AJ/PGCA/Tana/ 2025/079/IST/25/CF, tamin’ny 31 oktobra 2025, izany didy fa­napahana izany, nataon’ny le­hiben’ny fampanoavana ambony eo anivon’ny Fitsa­rana ambony, Antananarivo. Mamaly amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra takin’ny lalàna lah. 91–025 tamin’ny 12 aogositra 1991 io didy fa­napahana io, mamaritra ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny fivoahan’ireo mponina eto an-toerana mandeha any ivelany. Nasiam-panitsiana araka ny lalàna lah. 96-017 tamin’ny faha 13 aogositra 1996 izany. Satria mamaritra mazava fa ny fandraisana didy fanapahana toy izany dia tsy maintsy ialohavan’ny taratasy fangatahana ataon’ny fampanoavana ambony io lalàna io.
Nanao izany taratasy izany ny Fampanoavana ambony, rehefa nisokatra ny fanenjehana ara–pitsarana mahakasika ireo olom-panjakana ambony ireo noho ny tranga mety hi­sian’ny famaizana ara-keloka bevava na heloka tsotra. Mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana raikitra momba azy ireo, misitraka ny fepetra mifandraika amin’ny olona heverina fa tsy meloka aloha ireo olom-panjakana ambony ireo.

R. Nd.

Partager sur: