« Prix Découverte RFI 2025 »: Handrandraina indray ny Malagasy mpanakanto

Lala-masaka ho an’ny mozika malagasy ny « Prix Découverte RFI ». Miandrandra izay mpanakanto
hisongadina amin’ity taona ity ny rehetra.

Maro ireo Malagasy mpanakanto efa na­songa­din’ny «Prix Découverte RFI». Misokatra indray izao ny fifaninanana ho an’ireo mpanakanto mpanao mozika aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­dianina, Afri­que ary Caraïbes. Manana ha­tramin’ny 20 no­vambra izay maniry handray anjara amin’ny fifaninanana, izay asaina handefa ny antontan-taratasy any amin’ny RFI. Hira noforonina, manana ny maha izy azy, heverina fa mampiakatra avo ny zavakanto sy ny ko­lontsaina niavian’ny mpanakanto no handrasana amin’ireo mpifaninana. Matiha­nina amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena no mitsara ity fifaninanana ity, isan-taona, izay mahay tsara ny mozika malagasy.
Tsy tena sarotra ny fanangonana ireo ilaina amin’ny fifaninanana. Lalana iray mankany amin’ny maha matihanina ra­hateo ny famenoana ireo fepetra ho an’ireo Malagasy mpanakanto. Hira maneho ny fototra mampiavaka ny firenena niaviana, fa afaka misokatra amin’ny iraisam-pirenena anefa izany.
Nahazo ny loka voalohany i Mamy Ralaivita, ny taona 1993. Nanaraka izay i Lalatiana, ny taona 1986, i Regis Gizavo, ny taona 1990, ny tarika N’Java, ny taona 1992, Senge ny taona 1999, Rajery, ny 2022 ary Mikea, ny taona 2008. Ankoatra ireo tsy nahazo ny loka voalohany, mbola niady tao ry Aynah, Dina Mialinelina, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: