Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola.
Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito.
Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana fa tandindomin-doza ny famatsiana ireo fitaovana fandrindram-piterahana noho ny fihenan’ny famatsiam-bola saika maneran-tany. Hisy akony ratsy amin’ny fahasalamana ara-pananahana izany ka mila anaovana ezaka mahery vaika.
Tetsy andaniny, ny tale mpanatanteraky ny UNFPA, Diene Keita, dia nilaza fa nanavotra ain’olona an-tapitrisa ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tao anatin’ny 50 taona. Manao izany ho paikadim-pitsaboana mahomby mihitsy ny tomponandraikitra ara-pahasalamana maneran-tany.
Amin’izao fotoana, tandindomin-doza ny sehatry ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana maneran-tany noho ny tsy fahampian’ny tohana ara-bola. Mahatsapa ny UNFPA fa mihena ny tahiry amin’ireo firenena miankindoha amin’ny famatsiana iraisam-pirenena.
Miomana amin’ny mety ho firongatry ny vohoka tsy irina, araka izany, ny rafitra ara-pahasalamana. Mifandraika indrindra amin’ny mety fiakaran’ny tahan’ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana izany. Manginy fotsiny ny fanalan-jaza an-tsokosoko mitera-doza.
Azo heverina ny fitomboana mihoa-pampana amin’ny vohoka aloha loatra, ny fialana an-daharana an-tsekoly…
Rehefa afaka misitraka ny tolotra momba ny fanabeazana aizana anefa ny vehivavy sy ny tanora dia afaka mandrindra ny fiainana ara-pananahany amin’ny fisorohana ny vohoka tsy iriana sy fandrindrana ny zaza ateraka. Afaka mamita ny fianarany tsy misy ahiahy ny tanora, miasa malalaka tsy misy tebiteby.




