Sendikà Triade: Nivaly sahady ny fitakiana

Taorian’ny fihaonambe na­taon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo am-panatanterahana ny asa izay tafakatra 150 000 Ar.
Ho an’ireo tratran’ny fifindran-toerana tsy ara-drariny sy manana olana amin’ny fisondrotana grady kosa dia manatona ny minisitera na ny biraon’ny Triade hikarakarana izany haingana araka izay tratra.
Miantso ny mpiasan’ny fahasalamana hiverina hanohy ny asany eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana amin’izay ny sendikàn’ny Triade. Miditra amin’ny dinika an-databatra boribory iarahanaa amin’ny rafitra rehetra hampiharana ireo fitakiana ny sendikà manomboka eto. Ta­fiditra amin’izany ny dinika amin’ny Filoham-pirenena, Pri­matiora, ireo minisitra sy solombavambahoaka…
Mila atao maika koa ny fananganana ny sendikàn’ny Triade isam-paritra hirosoana hatrany amin’ny asa fanavaozana sy hanafainganana izany.

Tatiana A

Partager sur: