Fanovana… ifankahazoana

 

Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vaho­aka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantrai­kany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo ny vahoaka tokoa ve ny mpitondra? Indrindra izay mana­hi­rana azy, ny hetahetany, izay azony atao sy mety ho vitany… Mila fifankahazoana izany, fifampitokisana, fifanomezan-tanana… Izay mety amin’ny vahoaka sa ny mpitondra no atao? Adihevitra izay.
Na izany aza, nisy ny fanamby sy fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy inona fa fifanara­hana sosialy tamin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy tsangan’ olona no ampindramana fahefana hanatanteraka asa, fa tsangan-kevitra sy tsangam-pandaharanasa nandresy lahatra ka nanomezana vato. Mila mazava izay, ifankahazoan-dresaka, ifampatokisana… Raha tsy izany, miseholany ho azy eny ny fitarainana sy fanomezan-tsiny na ho ela na ho haingana. Tsy mora hetsehina ve ny vahoaka rehefa marefo ny amin’izany? Eny, na amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ihany aza. Efa miova ny vahoaka amin’izao? Na mora miova…
Tsy mety atao tohatra fiakarana hakana fahefam-panjakana fotsiny ny vahoaka? Tsy ny fahasahiranany no ampangotsohana azy lava amin’izany. Izay fahasahira­nana izay aza no mety hanahirana ny mpitondra raha atao ambanin-javatra sy ambin-javatra, rehefa mby amin’ izay tsy azo leferina na tsy zaka intsony. Tena mahalala ny vahoakany sy izay mahazo azy ve ny mpitondra? Eo indrindra izao… Mila fanovana. Sahy sy vonona ary ma­haritra ny amin’izany ve ny mpitondra? Ny vahoaka tsy hangina fa manara-maso, manao fanairana, manitsy… ifankahazoana.

R. Nd.

Partager sur: