Ankolafy Rajoelina : « Ny fifampiresahana ihany no vahaolana »

Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny delegasionin’ny Von­drona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah sy i Domitien Ndayizeye, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tetsy Ivandry, ny ala­hady teo.
Nambaran’izy ireo fa tsy mangina na mitazam-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Rajo­elina manoloana ny raharaham-pirenena. Mandray an­jara hatrany mitady vahaolana ho an’ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo. « Ny fifampiresahana ihany no lalan-tokana hahitana izay vahao­lana, manoloana ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena », hoy izy ireo. Nano­lotra volavolan-kevitra tamin’ ireo iraky ny UA izy ireo tamin’izany mba hivoahana amin’ izao krizy izao.
Anisan’ny niatrika izany ny minisitra teo aloha isany, Rakotomandimby Benjamin Alexis,   Sahondrarimalala Marie Michelle, ny depiote isany, Andriamananoro Augu­stin sy Imbiky Herilaza ary Andriamaholy Dina.

Synèse R.

Partager sur: