Moto iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana By-pass, ny alahady 11 novambra lasa teo. Nisongona tany amin’ny ilany havian’ilay fiara ilay mpitondra moto. Efa nandefa fampahafantarana hivily any amin’ny ankavanan-dalana anefa ilay fiara.
Renim-pianakaviana iray teraka an-dalana tao Verrerie, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 10 novambra teo. Nanampy azy ireo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana ka nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay ramatoa sy ny zanany vao teraka.
Kilan’ny afo avokoa ny trano miisa efatra ao amin’ ny fokontany Ambaramba avaratra, kaominina Arivonimamo II, ny harivan’ny sabotsy 8 novambra lasa teo. Nasesin’ny varatra ireo trano miisa efatra ireo. Tafo bozaka avokoa ny ankamaroany ka nanamora ny fiparitahan’ny afo. Samy namonjy ny ainy nivoaka ireo tompon-trano lasibatra. Tafakatra 18 ny isan’ireo olona tsy manan-kialofana ao anatin’io fokontany voakasika io.
Notazomina eny Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ireo teratany vahiny roa lahy nahatrarana zava-mahadomelina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.




