Sehatra iray mbola malalaka ao amin’ny hainahandro ny fitrandrahana ny sokolà. Nandritra ny 5 taona nisiany, namoaka matihanina maro ny Edenia Chocolaterie, ary mahatoky ny hoavin’ity sehatra ity.
Fihaonambe ny sabotsy teo, tao amin’ny Edenia Chocolaterie. Tazana tao ireo olo-malaza sy olo-manan-kaja, vory noho ny antony roa : ny sokolà sy ny faha-5 taonan’ity ivontoerana ity. Voaporofo nandritra ny fotoana izay naka endrika fety, fa manana ny akora tsara indrindra hahazoana sokola, ary mahafehy ny fanodinana azy ho vokatra be mpankafy ireo matihanina amin’izany. « Misy mpiofana eo amin’ny 85 eo isan-taona, izany hoe, efa maherin’ny 400 izao ny matihanina amin’ny hainahandro mifototra amin’ny sokolà novolavolaina tato. Mitrandraka ny cacao eto Madagasikara izahay ho fanohanana ireo mpamboly, ary mamorona asa ho an’ny Malagasy koa. Mila ampitomboina ireo mpanao asa tanana malagasy mivelona amin’ity sehatra ity, mba tsy ho vazaha foana no hitrandraka izany. Mbola sarotsarotra amin’ny besinimaro ny fanjifana sokolà noho ny vidim-piainana, kanefa efa manana ny hoaviny ity seha-pihariana ity », hoy ny nambaran’i Achille Rajerison, tompon-kevitra sy tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Edenia Chocolaterie.
Tsy seha-pihariana fotsiny fa fanehoana talenta ihany koa ho an’ireo matihaina ny fanodinana sokolà. Mitrandraka hanitra maro ampivadiana amin’ny cacao izy ireo, ary tsy mamy foana fa misy masira ihany koa. Misy aza laro tsy ampoizina mihitsy, toy ny sakay sy ny toaka. Ankoatra ny fanofanana amin’ny hainahandro, manam-pikasana ny hanokatra sekoly any Soatanana, mba hanofana eny ifotony ireo mpamboly cacao ny Edenia. Tanjona lavitr’ezaka ny hanitatra izany, ka ho lasa toerana azon’ny mpizahatany tsidihina aoriana kely. Hisy ny fanombohana izany ny 25 sy 26 novambra izao.
Mialoha izay, manome fotoana ireo te hanandrana ny sokolà vita malagasy izy ireo mandritra ny « Festival du chocolat et du litchi », izay hatao ny 21 sy 22 novambra izao, etsy amin’ny La City Ivandry.
Zo ny Aina




