TARATRY ny KANTO

Misy ny fiantsoana ho fanisana ireo matihanina eo amin’ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana, hataon’ny Organisaton internationale de la francophonie, na ny OIF. Voakasika amin’izany ny Malagasy mpisehatra amin’izy ity, amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ny kontsaina ireo matihanina ireo, ka hiara-hiasa amin’ny OIF amin’ireo hetsika rehetra handraisany anjara, raha toa ka voasafidy.
Sambany hiaka-tsehatra ao Fianarantsoa ny tarika Tselatra. Hisy ny fihaonan-dry Eric sy ny namany amin’ireo mpankafy azy, ny zoma 14 novambra izao, amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ ny O’Matsiatra Anta­randolo. Faniriana efa ela izy ity, na ho an’ny tarika na ho an’ireo mpankafy ny mozikan’ny Tselatra ao Fianarantsoa, izay toerana nahaterahan’i Eric.
Hotontosaina rahampitso ilay fakan-kevitra momba ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Hatao ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy izany, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Voakasik’ izany ireo sokajy teny malagasy, kabary, asa soratra, mozika, sarimihetska, dihy, mpikarakara hetsika, hiragasy, teatra, hairaha ara-endrika amam-bika, tontolon’ny sary ary ny harembakoka. Hasaina hanomana sy hitondra hevitra sy fijery ho an’ny fanatsarana ny sehatra misy azy avy ireo mpandray anjara.

Partager sur: