Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona an’Andriantsitohaina Claudia eny amin’ny Bianco, saingy tsy mbola navoaka izy. Mampiaka-peo noho ny tsy fanajana ny zony ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena.
Efa mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana manao andrimaso ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Maneho ny alahelony, araka izany, ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanam-behivavy ary ny renim-pianakaviana tsotra. « Tsy rariny raha reny mampinono no atao an’izany. Tsy manana fahafahana hampinono ny zanany… Efa nihoatra ny 48 ora. Tsy misy fanazavana… Zara fa dimy minitra no mba omena azy hifampiresahany an-telefaonina amin’ny zanany », hoy izy ireo.
Mbola nitondran’izy ireo fanakianana ihany koa ny karazana fandemen-tsaina atao azy. Tsindry sy fanasaziana ity renim-pianakaviana ity izany mba hanerena ny vadiny. « Tsy azo ekena ny tahaka izao. Tsy misy idiran’io reny io ny raharaha SMGD sy ny Cnaps. Tokony hojerena ny zon’olombelona sy ny zon’ ny vehivavy ary ny maha olombelona amin’ny tranga tahaka izao », hoy izy ireo.
Fanorenana?
Etsy andaniny, tsy mandà ny fanadihadiana kosa ny rehetra naneho hevitra, indrindra ny ady atao amin’ny tsimatimanota. « Tsy mijabaka amin’ny fanadihadiana izahay. Mankahery ny ezaka atao amin’ny fanovana sy fanarenana aza. Tokony hanara-dalàna kosa anefa ny dingana rehetra mifanindran-dalana amin’izany. Teboka tsy tokony ho tsinontsinoavina na hosihosena ny zo sy ny lalàna fototra ary ny fe-potoana ahafahana mitazona olona atao andrimaso, indrindra fa renim-pianakaviana mampinono », hoy izy ireo. Ankoatra izay, manontsana ny tsy fisian’ny mangarahara manodidina ny fitazomana an’Andriantsitohaina Claudia izy ireo.
Ny mangarahara sy ny fijerena ny maha olona anefa no tokony ho fakan-tahaka, indrindra amin’izao fanorenana sy fananganana mandritra ny tetezamita izao.
r.r




