Ceni – fifidianana: “Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena”

«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pi­renena izay». Io ny fanaza­van’ny filohan’ny Ceni, An­dri­a­narisedo Dama, teny Ala­robia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Von­drona Afrikanina (UA). Rehefa fantatry ny Ceni ny vokatr’izay, tsy maintsy ha­nontany ny he­vitry ny Fitsa­rana avo momba ny lalàm­panorenana (HCC) ny amin’ izany izy. Izay ny didy navoakan’ny HCC teo hoe: azo ha­hemotra ny daty ha­na­ovana ny fifidianana filohan’ny Repo­blika. Nefa tsy maintsy hifampiresahana amin-dry zareo izany.
“Tsy hanao ranon’Ikopa izahay eto anivon’ny Ceni hoe tonga namana vao mavomavo”, hoy izy. Manao ny asany ha­trany ny Ceni. Araka ny And. 14 amin’ny lalàna 2015-020 mifehy ny Ceni, misy ny rafitra azo apetraka raha misy ny fanomanana fifidianana na fi­tsapan-kevi-bahoaka. Tian’ny Ceni ny hametrahana an’izany rafitra izany, hiara-misalahy amin-dry zareo eo anivon’ny birao maharitra rehefa fantatra ny daty hanaovana fifidianana. Tsy manana olana ny Ceni raha misy rafitra hiara-miasa amin-dry zareo eo anivon’ny birao maharitra. Mbola miato ny fifidianana loholona. Raha ny vinavina tamin’ny voalo­hany, amin’ny 11 desambra no saika hanatanterahana izany. Nefa noho ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, tsy mbola misy daty ny amin’ izay fifidianana izay. Ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra izany.

R. Nd.

Partager sur: