FANTINA sy FINTINA

Atao andrimaso eny amin’ny Bianco, efa hatry ny afakomaly ny tale jeneraly teo aloha an’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, sy ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry. Nantsoin’ny Bianco koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Anisan’ny hanadihadiana azy ireo ny momba ny fitantanana tsy ara-dalàna.

Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Anisan’ny nisongadina izany tamin’ny fikaonandoha nataon’izy ireo tetsy Mahamasina, omaly. Voaresaka koa ny olan’ ny kaominina. Ankoatra izay, voafidy ho filohan’ny fikam­banan’izy ireo, Raparaoelina Rado, voafidy tetsy Ampi­tatafika.

Natolotra ny vahoakan’Ivato, eny Anka­din­dravola, ny Centre de santé Mamindra Aina II. Nisy ny fanalana nify faobe, maimaimpoana, ho an’ny olona miisa 50 mahery ho porofon’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fanomezana tolotra ara-pitsaboana manakaiky vahoaka. Nanotrona izany ny loho­lona Rakotondrainibe Ndriana Michel.

Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fambolena sy ny angovo, ny toekarena sy ny varotra. Nivoitra ireo tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Razanamahasoa Christine, ny ambasadaoron’i Maraoka, Mohammed Benjilany, tetsy Anosy, omaly. Tafiditra amin’ny fanavaozana ifotony izany, araka ny nambaran’ny minisitra.

Partager sur: