Njara Marcel : Any Paris no hamarana ny taona

Raikitra amin’izay ! Nanambara tamin’ny fomba ofisialy i Njara Marcel fa any Paris ny tarika no hamarana ny taona. Hanafana ny lanonana ao amin’ny Imerial Millenium izy, iarahana amin’ireo Malagasy mpanakanto hafa, toa an’i Big MJ, Mamy Gotso, Basta Lion, sns, ny alin’ny 31 desambra. Namba­rany ihany koa fa tsy fiarahana tokana amin’ireo Malagasy any France akory io, satria fitetezam-paritra mihitsy no kasain’ ny tarika hatao any an-toerana, ho famaliana ny antson’ireo mpiray tanindrazana izay efa ela no niandry ny fiarahana. Efa fantatra aloha fa handray an-dry Njara Marcel i Toulouse, ny sabotsy 3 janoary 2026, hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo Malagasy any an-toerana amin’izay. Afaka miantso ny tarika kosa ireo mpikarakara any amin’ny tanàna hafa amin’ ny tohiny.
Mialoha ny handehanany, mbola misy maromaro ny fihaonan’ny tarika Njara Marcel amin’ireo mpankafy azy eto an-tanindrazana. Any Farafangana, ohatra, ny zoma 21 novambra izao, ao amin’ny Restaurant Abba. Etsy amin’ny le Quartet, By Pass, kosa ny zoma 28 novambra. Manaraka izay ny any Toamasina, ny volana desambra, izay homena miandalana eo ihany ny andinindininy. Hitondra ireo hira vaovao sy ireo nampiaka-daza azy hatrizay ry Njara Marcel sy ny tariny mandritra ireo daty ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: